Anganon'ny Ntaolo - 52) Reny nanoro sain-dratsy ny zanany
Indray andro hono nisy vavitokana izay, efa maty raiamandreny, ary ny havany akaiky efa maty daholo ihany koa fa ny havantetezina sisa no nisy.
Indray andro hono nisy vavitokana izay, efa maty raiamandreny, ary ny havany akaiky efa maty daholo ihany koa fa ny havantetezina sisa no nisy.
Ny atao hoe havantetezina dia havana lavitra ary efa fakafakaina vao fantatra hoe mpihavana.
Tsy niteraka ity tovovavy, nefa te hiteraka mafy izy, ary nandramany daholo izay azo natao.
Nihinana zavatra marikivy izy nandritra ny fito volana, tsy nahomby.
Namono zavatra izy haterina any amin’ny Vazimba sady nandatsa-bola sy vakana tany, tsy nahomby.
Nankany amin’ny mpisikidy izy, tsy nahomby, niala tsiny ny mpisikidy nanao hoe raha tsy mbola Andriamanitra hoy izy no manome, dia tsy hahazo ianao.
Nony ela ny ela dia very hevitra ilay tovovavy ary namoy fo mihitsy aza.
Izao angaha no vintana nomen’Andriamanitra ka atao ahoana moa, hoy izy. Ny maniry zanaka tsy omeny, nefa ny tsy maniry sesefany!
Kinanjo, tampotampoka teo, dia nahazo zazalahy izy, ary nahafinaritra ny olon-drehetra ilay zazalahy dongadonga mahafatifaty.
Nony lehibebe ilay zazalahy, dia nanafatra ny olona hoe:
Mba ampianaro mivarotra sy miasa ity zanakao fa efa mahatokan-dalana sy mahatana angady izy!
Tsy nety anefa ny reniny. Ary tsy vitan’izay fa ny hametsifetsy olona no nampianarina azy. Dia nanafatra indray ny olona hoe:
Angaha hosimbainao ity zanakao no dia ampianarinao zavatra toy izany?
Nefa nody nanaiky teo ny reniny hoe aleo fa tsy ampianariny an’izany intsony koa dia lasa nametsifetsy olona ilay zanany, lasa nangalatra zavatr’olona, ary lasa nangalatra ondry aman’omby
Ary faly ery ny reniny rehefa tonga ao an-trano izy niaraka tamin’ny zavatra nangalariny.
Ela ny ela, nahita naman-dratsy ilay zanany lahy ka lasa namaky vodi-rindrina sy fasana ka tratran’ny olona ny farany ary nentina teny amin’ny fitsarana ary nohelohina ho faty.
Nony efa hovonoina izy dia niantso ny reniny fa hoe misy zavatra hobitsibitsihany aminy.
Nony nanatona ny reniny dia nokaikeriny mafy ny sofiny ka nidradradradra mafy sy nanome tsiny mafy an-janany.
Dia hoy ilay zanany:
Sahinao ve no mbola manome tsiny anahy nefa noho ny ana-dratsinao ihany no nahatonga ahy toy izao?