Anganon'ny Ntaolo - 53) Rafotsibe nitolona voay lasa anatra
Nahantra fadiranovana hono ilay Rafotsibe ka nihevitra niaraka tamin-janany izy hoe ahoana ny fomba hahazoan-karena.
Nahantra fadiranovana hono ilay Rafotsibe, ka nihevitra niaraka tamin-janany izy hoe ahoana ny fomba hahazoan-karena.
Mandehana anaka mankany an-tsena, hoy izy, dia diniho tsara ny vidin-javatra, ary teneno amiko hoe inona no sady lafo no be mpividy indrindra!
Dia lasa ireto zanany nankany an-tsena, dia nandinika ny mpividy sy ny zavatra amidy teny ny tontolo andro.
Nony voadinik’ireto zanak’ilay Rafotsibe ireto tsara ny zava-nisy, dia nitodi-doha izy ireo.
Inona anaka no lafo sady be mpividy indrindra any an-tsena any?”, hoy ilay Rafotsibe.
Ny nifim-boay!, hoy ireto zanany.
Faly ery Rafotsibe nahare izany. Gagagaga fotsiny kosa ireto zanany sady nifampijerijery. Azony an-tsaina loatra tsinona fa tsy moramora izany maka nifim-boay izany nefa raha ny fahitany ny hafalian’ilay Rafotsibe dia toy ny hoe zavatra mora ery.
Ndao isika anaka haka nifim-boay!, hoy ilay Rafotsibe sady nivoaka ny trano izy.
Varimbariana ireto zanany ka efa somary lasa lavitra ilay Rafotsibe vao nanenjika avy ato aoriana. Nony tratrany dia noteneniny hoe aleo aloha dinihana tsara hoe ahoana ny fomba hamandrihana voay, hanontanitany mpihaza hoe ahoana ny ataony raha te hamono voay, hoe fotoana inona no tsara manao izany.
Ianareo koa izany anaka dia mba kanosa, fa tolomina fotsiny ilay voay dia esorina ny nifiny, hoy ilay Rafotsibe sady nihomehy ihany izy no sady nandeha mafy.
Vao mainka nifampijery ireto zanany. Tsy nitondra lefona na antsy akory ilay Rafotsibe fa tanam-polo, ary nivarahontsana izy ireo nahita fa nisy voay iray nitapy masoandro teo amoron’ilay renirano.
Ilay Rafotsibe tamin’io efa lasa nirifatra tsy tana intsony, niezaka niantsoantso ihany ireto zanany hoe aza mankany aza mankany fa tsy nihaino ilay Rafotsibe fa tonga dia notolominy tsotra izao ilay voay.
Natanjaka ilay Rafotsibe. Vitany ihany ny nitolona ilay voay, saingy tsy ela dia nobedain’ilay voay tamin’ny nifiny izy dia nentiny tany anaty rano ka tsy nipoitra intsony.
Raha nanana antsy na lefona ilay Rafotsibe mety matiny ihany ilay voay, saingy tsy nandinika tsara izy.
Nalahelo mafy ireto zanany nefa akory atao. Nifampidinika izy. Tapaka ny heviny fa handinika ny fomban’ny voay, nony vitany izay, dia nanatona mpihaza, dia nanadihady hoe ahoana ny fanao, nony vitany izay, dia nanontany tsara hoe rehefa fotoana inona no tsara mihaza, nony vitany izay, dia nifampizara andraikitra ry zareo, dia matiny ilay voay.
Tonga saina ry zareo fa tsy ny nifiny ihany no azo amidy fa ny hodiny ihany koa, na ny henany aza namidin’ireto zanak’ilay Rafotsibe ary ny vola azony tamin’izay dia nentiny nividy biby hafa hompiana hany ka tsy nahantra intsony ry zareo.