Anganon'ny Ntaolo - 54) Ny sofina sy ny maso sy ny vava sy ny tanana sy ny tongotra ary ny kibo niady zokiny
Niady ny sofina sy ny maso sy ny vava sy ny tanana sy ny tongotra ary ny kibo.
54
0:00
/152.096
Niady ny sofina sy ny maso sy ny vava sy ny tanana sy ny tongotra ary ny kibo.
Hoy ny sofina:
Izaho no zokiny, satria izaho ihany no mandre ny zavatra rehetra!
Hoy ny maso:
Izaho no zokiny, satria na mandre aza ialahy, tsy hahita izay tany haleha raha tsy izaho!
Hoy ny vava:
Izaho no zokiny, satria na mahita aza ialahy, tsy hahalaza izay tiany, ary tsy hihinan-kanina raha tsy izaho!
Hoy ny tanana:
Izaho no zokiny, satria tsy hihinan-kanina ialahy raha tsy izaho no mitondra azy ao am-bava!
Hoy ny tongotra:
Izaho no zokiny, satria tsy ho tonga eny aminβny hanina ialahy, raha tsy izaho no mitondra anβialahy mankany!
Nihaino tsara ny kibo, dia hoy izy:
Izaho no zokiny, satria na tsy misy sofina aza, miaina foana, na tsy misy maso aza, miaina foana, na tsy misy vava aza miaina foana, na tsy misy tanana aza miaina foana, na tsy misy tongotra aza miaina foana, fa tsy misy kibo kosa, tsy afaka mihinana, tsy afaka mivelona, sady ny kibo koa mihevitra sy mandinika!
Dia niaiky ny sofina sy ny maso sy ny vava sy ny tanana sy ny tongotra hoe marina izany, ny kibo tokoa no zokiny.