Anganon'ny Ntaolo - 56) Ibotity milaza izay mahery
Niani-kazo hono Ibotity indray maka izay ka nony notsofin’ny rivotra ilay hazo dia tapaka, ka nianjera izy, ary folaka ny feny.
56
0:00
/156.096
Niani-kazo hono Ibotity indray maka izay ka nony notsofin’ny rivotra ilay hazo dia tapaka, ka nianjera izy, ary folaka ny feny.
Dia hoy Ibotity hoe:
Ny hazo no mahery, fa nahafolaka ny fen’Ibotity!
Dia namaly ny hazo hoe:
Tsy izaho no mahery, fa ny rivotra!
Dia hoy Ibotity hoe:
Ny rivotra izany no mahery!
Dia namaly ny rivotra hoe:
Tsy izaho no mahery, fa raha mahery aho koa ho voatohan’ny vohitra?
Dia hoy Ibotity hoe:
Ny vohitra izany no mahery!
Dia namaly ny vohitra hoe:
Tsy izaho no mahery, fa raha mahery aho koa ho voaloakan’ny voalavo?
Dia namaly ny voalavo hoe:
Tsy izaho no mahery, fa raha mahery aho koa ho vonoin’ny saka?
Dia hoy Ibotity hoe:
Ny saka izany no mahery!
Dia namaly ny saka hoe:
Tsy izaho no mahery, fa raha mahery aho koa ho voafatotry ny tady?
Dia hoy Ibotity hoe:
Ny tady izany no mahery
Dia namaly ny tady hoe:
Tsy izaho no mahery, fa raha mahery aho koa ho tapaky ny antsy?
Dia hoy Ibotity hoe:
Ny antsy izany no mahery!
Dia namaly ny antsy hoe:
Tsy izaho no mahery, fa raha mahery aho koa ho doran’ny afo?
Dia toy izany hatrany hatrany hono no navalin’Ibotity ary mandraka ity hono ny androany dia mbola any foana izy, mihevitra hoe inona no mahery.