Anganon'ny Ntaolo - 57) Tsy misorom-bady an-trano

Nanambady hono ilay lehilahy ary vehivavy tsy dia nampianarin’ny raiamandreniny tsara loatra ity nalainy vady.

Anganon'ny Ntaolo - 57) Tsy misorom-bady an-trano
audio-thumbnail
57
0:00
/111.584

Nanambady hono ilay lehilahy ary vehivavy tsy dia nampianarin’ny raiamandreniny tsara loatra ity nalainy vady. Na ny nahandro sakafo, na ny nanao raharaha tao an-trano, na ny namboly, na ny niompy, na ny nihaza, na ny nanjono, na ny nivarotra, dia tsy nampianatra azy izany ny raiamandreniny.

Nody antoandro àry ralehilahy indray andro izay ary tsy masaka tsara ny vary, ny laoka may. Tsy sahy niteny izy anefa fa menamenatra ary hoy izy hoe:

Tsy hisakafo aho ramatoa fa reraka loatra!

Dia toy izany foana nandritra ny andro maromaro, ka noana dia noana ihany ralehilahy ny farany ka tsy naharitra fa niteny ny farany. Dia nazavainy ny olana, dia nampianariny ravehivavy nahandro vary tsara sy nahandro laoka tsara.

Dia hain-dravehivavy tsara nony avy eo, koa samy ravoravo izy mivady.

Izany hono no nahatonga an’ilay fiteny hoe:

Aza misorom-bady an-trano ka ny tena ihany no trany!

Ny atao hoe hoe trany dia toy ny hoe tratrany.

Ary ny dikan’ilay hoe aza misorom-bady an-trano dia hoe tsy mampianatra ny vadiny amin’izay mety hadisoana mitranga.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨