Anganon'ny Ntaolo - 58) Rafotsibe sy ny nenina tsy aloha
Lasa hono ilay Rafotsibe sy ny zanany vavy ary ny vinantolahiny nankany amina tany lavitra hitady sakafo fa tsy nisy intsony tany amin’ny tany niaviany.
Lasa hono ilay Rafotsibe sy ny zanany vavy ary ny vinantolahiny nankany amina tany lavitra hitady sakafo fa tsy nisy intsony tany amin’ny tany niaviany.
Nony ela ny ela dia tojo tany be hanina izy ireto. Ny nahavariana dia tsy nisy olona na ny kely aza nefa sakafo izany ka sakafo.
Nibitaka ilay Rafotsibe sy ny vintanolahiny. Ilay zanany vavy kosa mahina ka hoy izy hoe:
Aleo isika tsy hijanona ela eto fa haka izay zaka dia hanohy ny dia!
Ianao ity adala, hoy ilay Rafotsibe. Isika àry izao hanangana trano eto!
Misy zavatra hafahafa ity toerana ity”, hoy ny navalin’ny zanany vavy. Misy antony matoa tsy misy olona eto, maty eto isika!
Misy mahafaty olona afa-tsy ny sakafo ve?, hoy indray ilay vinantolahy vadin’ilay vehivavy.
Nidrikina anefa ity zanaka vavin’ilay Rafotsibe ka ny farany nanapa-kevitra ilay Rafotsibe sy ilay vinantony fa havarina any an-kady izy ity. Dia nobatainy dia natsipiny tao anaty lavaka lalina.
Soa fa tsy maty izy fa ny feny no tapaka, ary tsy ela loatra dia nisy telo lahy nandalo nanavotra azy sy nitondra azy tany amin’ny tanàna nampiadana azy.
Ilay Rafotsibe sy ilay vinantony tamin’izay faly ery nandrapaka izay sakafo rehetra tao ary nanangana trano.
Dia nihanatavy izy mianaka, lasa natavy be mihitsy aza.
Indray hariva àry, raha mbola teo am-pihinanan-kanina izy mianaka, dia tonga ny mpihinana olona.
Manenina aho, anaka, hoy ilay Rafotsibe tamin’ny vinantony. Tahaka izay nino ny tenin’ny vadinao ihany!
Tamin’izay hono no nahatonga an’ilay fiteny hoe:
Ny nenina tsy aloha hananatra, fa afara mandatsa.