Anganon'ny Ntaolo - 59) Ikalasarotra faly amin'ny fahoriana

Rehefa misy maty hono tao an-tanàna, dia faly anakampo hatrany Ikalasarotra satria betsaka ny omby hovonoina ka milela-molotra sahady izy.

Anganon'ny Ntaolo - 59) Ikalasarotra faly amin'ny fahoriana
audio-thumbnail
59
0:00
/214.08

Rehefa misy maty hono tao an-tanàna dia faly anakampo hatrany Ikalasarotra satria betsaka ny omby hovonoina ka milela-molotra sahady izy.

Indray andro, nisy maty tao an-tanàna, nibitaka mangina Ikalasarotra sady nilaza tao an-trano hoe ndao hamangy. Efa tsikaritry ny vadiny anefa fa tsy ilay fahoriana no mampalahelo azy fa ilay hanina no tiany hovonjena.

Ndeha ho any an-tsaha aho, hoy ilay vadiny. sady naka angady izy.

Taitra Ikalasarotra.

Ahoana tsara hoe e? Aza mankany izany moa ianao fa asa kely indray maraina anie tsy hahavita taona akory e!

Sady isika mila manao adidy.

Mody tsy nihaino ilay vadiny, sady lasa ihany.

Kivy ramatoa, tsy hitany izay atao, izy rahateo tsy nahavita nankany amin’ilay fahoriana irery satria ny lehilahy irery ihany no nitondra teny tamin’izany.

Ny hany nataony, niandry ny vadiny hiverina, nanantena azy hiverina haingana, ary nitazatazana avy eo an-tokotany matetika izy, saingy mbola hitany miasa tany hatrany ilay vadiny.

Ela ny ela, nirahiny ny zanany handondona ny vadiny. Ny tsy fantany dia efa hain’ny zanany tsara ihany koa hoe ilay sakafo no mahamaika ny reniny fa tsy ilay fahoriana loatra.

Nony niverina ireo zanany, dia nilaza tamin’ny reniny fa mbola ho ela vao ho vita ny asa tanin’ny rainy. Tezitra Ikalasarotra koa lasa nankany amin’ny anadahiny izay azony an-tsaina fa nahazo hena betsaka tany amin’ilay fahoriana.

Rehefa hitan’ny vadin’Ikalasarotra fa lasa izy, dia iny izy niverina tao an-trano, ary naniraka ny zanany hindrana vilany any amin’ny dadatoany.

Gaga Ikalasarotra nahita ireto zanany nindrana vilany, nefa tsy tena taitra izy. Afaka kelikely anefa, dia niverina indray ireto zanany niaraka tamin’ilay vilany ka nilaza hoe:

Ity ny vilaninao dadatoa fa mba ampindramo vilany izay lehibe indrindra ao aminao, hoy iadanay.

Taitra Ikalasarotra. Hoy izy anakampony hoe nahazo hena be dia be tany izay ilay vadiny. Dia namoron-javatra tamin’ny anadahiny teo izy, dia lasa niverina tany an-tranony.

Akory anefa fa nony tonga izy, sady tsy nahita ny vadiny, no tsy nahita ny zanany, no tsy nahita hena, fa ilay vilany be tsy nisy na inona na inona fotsiny no tao.

Ny vady aman-janany lasa namangy fahoriana.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨