Anganon'ny Ntaolo - 60) Mpisikidy sy nenina

Nisy lehilahy iray izay hono voaantso hiady ho an’ny tafika. Kivy izy. Tsy dia nahafinaritra loatra ny olona hono ny handeha hiady tamin’izany

Anganon'ny Ntaolo - 60) Mpisikidy sy nenina
audio-thumbnail
60
0:00
/177.088

Nisy lehilahy iray izay hono voaantso hiady ho an’ny tafika. Kivy izy. Tsy dia nahafinaritra loatra ny olona hono ny handeha hiady tamin’izany ary nalahelo ny vady aman-janany izy.

Nanatona mpisikidy izy ka hoy ilay mpisikidy taminy:

Tsy ho voatifitry ny basy ianao, tsy ho voalefona, tsy ho vaotsatoka zava-maranitra, fa ho voan’ny nenina!

Vao mainka kivy ilay lehilahy. Dia nanohy ilay mpisikidy hoe raha tsy te ho voan’ny nenina ianao, dia izao sy izao no mila ataonao. Vao mainka kivy hatrany ilay lehilahy satria betsaka ilay zavatra mila ataony, ary lafo dia lafo ny hanao izany.

Nitantara tamin’ny vady aman-janany izy ka hoy ny vadiny hoe:

Iza koa no hanaiky an’izany! Mandehana mitady mpisikidy hafa fa efa dia fanambakana koa izany fa tsy famonjena intsony!

Dia lasa nitady mpisikidy hafa izy, ka maivamaivana kokoa ny zavatra nasain’ity mpisikidy ity nataony ka faly ery izy.

Dia lasa izy niady nony vita ny nasaina nataony, ka rehefa tany an’ady izy dia tsy natahotra na inona na inona intsony satria efa nahazo toky hoe tsy voatifitry ny basy, tsy ho voalefona, tsy voatsatoka zava-maranitra ary na ny nenina aza efa afaka.

Kinanjo indray mandeha izay, nisy fahavalo nanafika ry zareo, tsy natahotra izy, tsy naninona fa nijoro hiatrika ireto mpanafika, teo izy vao tonga saina hoe tsy nifahana ny basiny, teo koa izy vao tonga saina hoe tokony niafina tsara kokoa ry zareo.

Dia nanenina izy.

Saingy tsy hoe nanenina izy hoe tahaka izay tsy nanadino namahafa ny basiny, na hoe tahaka izay niafina tsara kokoa fa tsy nijanona teny amin’ity toerana mora hita ity, fa nanenina izy hoe tahaka izay nanatanteraka ny tenin’ilay mpisikidy voalohany sitrany ny ahay tsy manenina.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨