Anganon'ny Ntaolo - 62) Ilavarefy, alika nifono lambamena
Maty hono Ilavarefy, alikan’Andriantsiabiromanana sy Rabodomilalaovola ka nofonosiny lambamena dia nasainy naterina tany amin’ny raiamandreniny.
Maty hono Ilavarefy, alikan’Andriantsiabiromanana sy Rabodomilalaovola ka nofonosiny lambamena dia nasainy naterina tany amin’ny raiamandreniny. Olona maromaro no nirahiny hanatitra ny fatin’Ilavarefy.
Nony nanakaiky ny tanànan’ny raiamandreniny izy ireo, dia taitra ireto farany ka hoy izy mantsy an’ireo zanany hoe:
Akaro ny omby, omàno ny fitaovam-piadiana, fa tamy ny fahavalo.!
Nanana zanaka hafa tokoa mantsy ny raiamandrenin’Andriantsiabiromanana sy Rabodomilalaovola saingy Andriantsiabiromanana no tsy tiana ka noroahiny moa Rabodomilalaovola tsy nahafoy ka nanaraka anazy.
Nony tazany anefa fa tsy mpanafika ireto olona fa nitondra lambamena dia hoy izy:
Nidiran-doza isika fa maty Rabodomilalaovola!
Dia namaly ireto olona nitondra ny faty fa tsy Rabodomilalaovola velively izato maty, ka hoy indray ireto raiamandreniny:
Nidiran-doza isika fa maty Andriantsiabiromanana
Dia namaly ireto olona nitondra ny faty fa tsy Andriantsiabiromanana velively izato maty, ka hoy indray ireto raiamandreniny:
Ka iza ihany àry no maty no entinareo aty?
Dia namaly ireto olona nitondra ny faty fa Ilavarefy no maty ary nasain’izy mianadahy naterina any amin’ny raiamandreniny. Dia nataony tsara levenana ilay alika, satria fantany fa tian’ny zanany, niara-nilalao taminy hatrizay.
Nony tafaverina tany amin’izy mianadahy ireto olona nirahiny dia nanontanian-dRabodomilalaovola hoe:
Manao ahoana ny masoandro amam-bolana ao?
Ny atao hoe masoandro amam-bolana dia ny raiamandreny.
Dia namaly ry zareo hoe tsara ihany izy ao ary nanontany koa izy hoe manao ahoana ianareo ao. Dia nitsiky Rabodomilalaovola nahare hoe nanontany azy mianadahy ny ray aman-dreniny sady nitsiry tao an-dohany ny hiresaka amin’Andriantsiabiromanana hoe ndao hamangy an-dry zareo.