Anganon'ny Ntaolo - 61) Ambondrombe sy ireo ambiroa nanenina

Nihaona tany Ambondrombe hono ny ambiroan’ireto lehilahy mpanao ratsy anankiroa ary nifanontany hoe inona no nahafaty an’ialahy ary inona no nataon’ialahy no dia mijaly aty toy izao.

Anganon'ny Ntaolo - 61) Ambondrombe sy ireo ambiroa nanenina
audio-thumbnail
61
0:00
/92.832

Nihaona tany Ambondrombe hono ny ambiroan’ireto lehilahy mpanao ratsy anankiroa ary nifanontany hoe inona no nahafaty an’ialahy ary inona no nataon’ialahy no dia mijaly aty toy izao.

Ambondrombe dia tendrombohitra iray any Andringitra, atsimon’i Fianarantsoa izay inoan’ny olona fahiny indrindra indrindra hoe itoeran’ny ambiroa, na karazana fanahy ambanimbany.

Ka hoy ny valin-tenin’ilay lehilahy anankiray:

Mpamosavy aho fony fahavelona ka tratran’ny olona ela ny ela dia nampisotroiny poizina dia maty. Ary ialahy?
Mpihady fasana aho. Nisy mpanankarena maty izay dia niaraka nalevina tamina firavaka maro samihafa izy, dia nihady an’ilay fasana ka tratran’ny olona dia nodorana velona.

Dia nifampijery teo fotsiny izy roalahy, nanenina tongotra aman-tanana.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨