Anganon'ny Ntaolo - 1) Mpanarivo roa ray
Indray andro hono, naka vady ilay ingahindriana avy any atsinanana.
Indray andro hono, naka vady ilay ingahindriana avy any atsinanana.
Naka vady havana ingahindriana avy any andrefana. Niteraka roa vavy ry zareo, ary maty tanora ny renin’izy mirarahavavy hany ka lasa kamboty mbola kely.
Taona vitsivitsy taty aoriana, niangavy an-drainy izy mirahavavy hoe:
Dada ô, efa ela ihany izay no nahalasa ny vadinao, koa satria ny maty tsy mba miverina, manambadia re ianao!
Marina izany, ry sombinaiko, saingy izao, sanatria ho tojo renikely tsy ho tia anareo ianareo, ka tsy vitako ny hijery ny fijalianareo!
Nidrikina ihany izy mirahavavy, hoe inona moa ny jaly hihoatra izao efa kamboty reny izao.
Ankona ny rainy nahareo izany, nalahelo ny fony, kanefa tsy nety nanambady izy.
Taona vitsivitsy taty aoriana indray, niverina niangavy an-draniny izy mirahavavy, notereny mihitsy moa izany, ary izay vao nanaiky nanambady. Havana ingahindriana avy any atsimo no nalainy vady ary herintaona taty aoriana dia nitera-bavy.
Nony lehibebe ilay vavy kely dia nomen’ny rainy vola hamidy zavatra hatao tsikonona eny an-tsaha.
Ny atao hoe tsikonona dia dinety na kilalaon’ankizy mody miara-misakafo, na tena misakafo.
Rehefa masaka nefa ny hanina, dia tsy nomen’ilay renikeliny izy mirahavavy fa ilay zanany vavy naterany ihany no nomeny. Koa lasa izy mirahavavy nankany amin’ny fasana nilevenan'ny reniny, dia nitomany tany.
Nony nisakafo hariva tao an-trano dia gaga ny rainy fa izy mirahavavy nahery nihinana moa ilay faravavy tsy nahatelin-kanina. Dia nanontany hoe misy inona, saingy tsy sahy niteny izy mirahavavy.
Ny ampitso, dia nomen’ny rainy vola indray izy telo mirahavavy hilalaovany saingy notazonin’ny renikeliny avokoa ny vola. Dia lasa izy mirahavavy nankany amin’ny fasana nilevenan'ny reniny dia nitomany tany.
Sendra nandalo teo ny rainy, dia nanontany izy hoe fa nahoana loatra no dia mitomany.
Saingy tsy sahy niteny izy mirahavavy fa mody nolazainy hoe:
Nandalo teto ny fasan’ineny izahay, dia nanembona azy, dia nigogogogo!
Dia latsa-dranomaso koa ny rainy ka niara-nitomany teo izy telo mianaka.
Andro vitsivitsy taty aoriana indray, dia mbola nomen’ny rainy vola izy telo mirahavavy saingy mbola notazonin’ny renikeliny avokoa hatrany ilay vola. Koa lasa izy mirahavavy nankany amin’ny fasana nilevenan'ny reniny dia nitomany tany.
Ingahindriana avy any avaratra no sendra nandalo teo tamin’izay, ka nanontany hoe inona izato mampitomany. Dia nolazain’izy mirahavavy ny tena antony nampitomany azy. Nalahelo ilay ingahindriana avy any avaratra ka hoy izy hoe:
Ndeha ianareo hataoko ho zanako!
Dia hoy izy mirahavavy hoe:
Raha manaiky ve izahay, dia havelanao hamangy an’idadanay aty kosa izahay mirahavavy indraindray?
Eny, hoy ilay ingahindriana avy any avaratra, havelako ianareo!
Dia lasa izy telo mianaka.
Nony notantarain’ilay faravaviny tamin’ny rainy ilay zava-nitranga, dia nalahelo izy, nefa hoy izy hoe:
Aoka izy ho any, anaka, rehefa izany no tiany!
Ary nanomboka teo hono izy mirahavavy dia nahazo dada anankiroa.