Anganon'ny Ntaolo - 48) Ifaramalemy sy Ikotobekibo nandositra ny raiamandreniny

Nisy mpivady niteraka zanaka maro ka ny anankiroa amin’ireo dia tsy vitan’ny tsy tiany fa halany maizina.

Anganon'ny Ntaolo - 48) Ifaramalemy sy Ikotobekibo nandositra ny raiamandreniny
audio-thumbnail
48
0:00
/208.576

Nisy mpivady niteraka zanaka maro ka ny anankiroa amin’ireo dia tsy vitan’ny tsy tiany fa halany maizina.

Ny anankiray dia ny faralahy, nomeny anarana hoe Ikotobekibo, satria ngeza dia ngeza ny kibony ary tsy mahavita miasa tanimbary noho izany, zara raha mahavita mandeha mihitsy aza. Ny anankiray indray kosa, dia ny faravavy, nomeny anarana hoe Ifaramalemy, satria malemy dia malemy izy ary na ny manenona aza tsy vitany.

Ny atao hoe manenona dia karazana fanjairana ka ny fampidipidirana ny kofehy dia mitsangana sy mitsivalana na amin’ny teny frantsay hoe: tisser.

Indray andro àry, niakatra loatra angaha ny fankahalan'ireto raiamandreniny azy mianadahy ka tapakevitra izy ireto ny hamono azy tsotra izao. Dia nihady lavaka tao an-tokotany izy mivady, hitan'izy mianadahy anefa izany ka nanontaniana hoe atao inona izato lavaka.

Dia hoy ny navaliny, nandainga hoe:

Hanotrehany akondro hono.

Dia nanontany izy miandahy hoe aiza izay akondro eo, dia ireto raiamandreniny indray no tezitra sady nilaza hoe tsisy idiran’ny zaza izany.

Mahina anefa Ifaramalemy sy Ikotobekibo ary notsikiloviny nony hariva ny ray aman-dreniny ka henony ny teti-dratsiny. Tonga dia nanapakevitra izy mianadahy fa hitsoaka ny alin’io andro ihany. Tsy nanaiky ireto mpiray tam-po taminy raha tsy nanampy azy mianadahy tamin'ny fitsoahany ka ny nitilitily sao dia taitra ireto raiamandreniny no nataony.

Tsy lasa lavitra akory, dia tsy nahahetsika Ikotobekibo, nitaritarika tamin'ny tany ny kibony tsy zakany intsony, ka nitomany izy. Nandrisika azy ihany Ifaramalemy hoe mila mandeha saingy tsy nahavita Ikotobekibo. Koa nanao herim-po very maina àry ​Ifaramalemy​, nanahy loatra sao dia tratran'ireto ray aman-dreniny ka hoy izy hoe:

​Etsy babeko, razoky!​

Dia nobabeny Ikotobekibo. Navesatra dia navesatra ho azy ny nibaby an'Ikotobekibo.

Fa tsy maintsy vitako ity, hoy izy tao an-tsainy.

Nony tonga lavidavitra izy, nahazo antoka fa tsy nisy mpanaraka, dia navotsony Ikotobekibo, dia nitambotsitra, maivamaivana fa afa-doza, saingy toran’ny harerahana be loatra izy.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨