Anganon'ny Ntaolo - 4) Mpianadahy tsy nifankafoy

Indray andro nisy mpianadahy kely antsoina hoe ​Andriantsiabiromanana​ ny lahy ary Rabodomilalaovola ny vavy.

Anganon'ny Ntaolo - 4) Mpianadahy tsy nifankafoy
audio-thumbnail
4
0:00
/197.344

Indray andro nisy mpianadahy kely antsoina hoe ​Andriantsiabiromanana​ ny lahy ary Rabodomilalaovola ny vavy. Tsy tian’ny ray aman-dreniny hono Andriantsiabiromanana ka noroahany. Tsy nahafoy azy kosa Rabodomilalaovola anabaviny ka nanapakevitra ny hanaraka azy niaraka tamin’ny alikany antsoina hoe Ilavarefy.

Dia lasa nianefitra izy miandahy.

Ny atao hoe mianefitra dia mandeha mamaky taniefitra. Ny atao hoe taniefitra kosa dia tany ngazana, tsy misy olona.

Nianika hazo àry Rabodomilalaovola moa Andriantsiabiromanana sy Ilavarefy nihaza vorona. Tamin’izay fotoana indrindra no nisy ​jiolahy​ roapolo lahy tonga haka an-dRabodomilalaovola. Niantsoantso mafy ity farany, niantso vonjeo tany amin’ny anadahiny.

Niverina haingana Andriantsiabiromanana ary raikitra ny ady. Resy ireto jiolahy roapolo, resin’Andriantsiabiromanana ary nifona izy ireto ka niteny hoe:

Aza vonoina re izahay, tompoko, fa ento ho vahoakanareo mianadahy!​

Dia napetrak’Andriantsiabiromanana tao amina tanàna iray izy ireto, Rabodomilalaovola kosa nafindrany teo ambony hazo hafa. Dia niverina nihaza vorona izy sy Ilavarefy.

Vao iny izy handeha hihaza iny indray anefa no nisy jiolahy hafa tonga haka an-dRabodomilalaovola dia nisy jiolahy hafa tonga indray. Dimy amby roapolo no isany. Dia niantsoantso izy, dia tonga ny anadahiny, dia niady, dia resin’ny anadahiny ireto jiolahy, dia nifona, dia napetrany tao amina tanàna iray, dia nafindrany teo ambony hazo hafa ny anabaviny, dia lasa niverina nihaza izy sy ny alikany.

Dia nisy jiolahy hafa tonga indray. Fanintelony. Ary telopolo ny isany. Dia toa izay ihany. Dia nisy hafa tonga indray. Faninefany. Dia toa izay ihany. Tamin’ny fandiniminy, dimampolo. Ary tsy haka an-dRabodomilalaovola intsony ny tanjony fa toa ny hamono azy mihitsy angaha. Teo no nanapa-kevitra Andriantsiabiromanana fa tsy hihaza vorona intsony fa hiambina ny anabaviny ka hoy izy:

Mafy ny fitiavanao ahy, niaritra ny mafy sy ny mangidy ianao, ranabaviko, satria nilaozanao ny ray aman-drenintsika nefa izaho irery no noroahiny​!

Dia novoriany ireo jiolahy rehetra resiny ary nasainy naka ny vady aman-janany avy ary nanao vohitra iray ho an-dRabodomilalaovola ary iray hafa ho an’ny tenany.

Ka nanomboka teo hono, no nisy izany atao hoe fanjakana izany.

Hiditra mpikambana? Mandefasa hafatra! 📨