Anganon'ny Ntaolo - 3) Renikely maizin-doha
Nony lehibe hono izy mirahavavy nahazo dada ankiroa, dia nanambady ilay zokiny
Nony lehibe hono izy mirahavavy nahazo dada ankiroa, dia nanambady ilay zokiny ary bevohoka. Tamy namangy azy àty ity dadany ilay nanangana azy ka hoy izy hoe:
Ratsiaina inona ianao, ry Ketaka?
Ketaka dia anarana enti-manondro zazavavy, toy ny Bozy, na koa hoe Koto raha zazalahy.
Ary ny ratsiaina kosa dia enti-milaza ny vehivavy bevohoka izay manan-javatra tiany hohanina mafy. Syndrôme de Pica ihany koa no fiantso azy.
Ratsiaina atin-dambo fito aho, ry ikaky!, hoy ilay zanany vavy.
Dia lasa ny dadany, lasa nandeha nihaza lambo. Mbola tsy tafaverina anefa izy, dia teraka ilay zanany vavy natsangany.
Tonga tamin’ilay renikeliny, vadin’ilay dada niteraka anazy hono ny vaovao, ka naniraka an-janany vavy izy hamangy azy.
Nony tonga teny am-bavahady izy dia niantsoantso hoe:
Lazao izoky fa tonga hamangy azy ny zandriny!
Dia faly ery hono ilay zokiny tera-bao nahare izany ka notsenaina ilay zandriny, nampiantranoany ary nomeny sakafo. Dia noraisin’ny zandriny àry ilay zazakely, dia nohindrahindrainy sy ny norotsirotsiany.
Ny atao hoe hindrahindraina dia milalao zazakely.
Rahefa alina kosa ny andro, dia nentiny nitsoaka ilay zaza moa ilay zokiny vavy notsatohany tamin’ny fofy.
Ny atao hoe fofy dia taolana lavalava kely maranitra fisoritan’ny vehivavy ny volony rehefa iny manao volo iny.
Nony tafaverina ilay dadany, dia gaga izy fa sady tsy tao ny zanany vavy tera-bao no tsy tao ilay zafikeliny. Voronkely kosa no nitoreo hoe:
Dada ô, dada ô, nentin’ilay zandriko tsy avy eto an-tanàna nitsoaka ny zanako moa izaho notsindroniny fofy ka izao nivadika voronkely.
Ny atao hoe mitoreo dia manao feo mampahonena, mampalahelo fatratra.
Nalahelo mafy ity dadany ka nompiany ity voronkely, nofahanany ary nokarakarainy tsara.
Nony kelikely, akory ny hafaliany fa indro nivadika olona ilay voronkely, ary tsy iza ilay olona fa ilay zanany vavy ihany. Dia niaraka nankany amin’ilay tanàna misy an’ilay zazakely izy mianaka, lasa nankany amin’ilay dadany voalohany.
Ilay renikeliny mbola nikorana niaraka tamin-janany vavy nahare ny vaovaon’ny famonoana no indro fa mipoitra avy ilay noheverina hoe maty. Taitra ilay renikely, nijanona ny fony, maty teo no ho eo. Ilay zanany vavy nahavanon-doza kosa nifona mafy.
Nony notantaraina tamin’ilay dada voalohany kosa ny zava-nitranga dia nalahelo izy, ary niangavy raha afaka mitaiza an’ilay zafikeliny ihany koa.
Nanaiky ny reniny. Lahikely ilay zazakely ary natao hoe Impanarivo no anarany ary roa ny raibeny. Ny reniny manana ray roa moa izy Impanarivo manana raibe roa.
Izany hono no nahatonga ilay fitenenana hoe mpanarivo roa ray, mitraka mahazo ny trafony, miondrika mahazo ny tratrany.