Anganon'ny Ntaolo - 64) Akanga maro tsy vakin'amboa
Rehefa tonga tany an’ala, dia nipetraka ny iadany ka niteny tamin’ny zanany hoe izahao kely ny lohako fa misy hao angaha.
An-tsoratra, am-peo, misy famaritana, misy lalao, misy teny frantsay.
Rehefa tonga tany an’ala, dia nipetraka ny iadany ka niteny tamin’ny zanany hoe izahao kely ny lohako fa misy hao angaha.
Maty hono Ilavarefy, alikan’Andriantsiabiromanana sy Rabodomilalaovola ka nofonosiny lambamena dia nasainy naterina tany amin’ny ray aman-dreniny. Olona maromaro no nirahiny hanatitra ny fatin’Ilavarefy.
Ambondrombe dia tendrombohitra iray any Andringitra, atsimon’i Fianarantsoa izay inoan’ny olona fahiny indrindra indrindra hoe itoeran’ny ambiroa, na karazana fanahy ambanimbany.
"Iza koa no hanaiky an’izany! Mandehana mitady mpisikidy hafa fa efa dia fanambakana koa izany fa tsy famonjena intsony!"
Rehefa misy maty hono tao an-tanàna dia faly anakampo hatrany Ikalasarotra satria betsaka ny omby hovonoina ka milela-molotra sahady izy.