Anganon'ny Ntaolo - 1) Mpanarivo roa ray
Rehefa masaka nefa ny hanina, dia tsy nomen’ilay renikeliny izy mirahavavy fa ilay zanany vavy naterany ihany no nomeny. Koa lasa izy mirahavavy nankany amin’ny fasana nilevenan'ny reniny dia nitomany tany.
An-tsoratra, am-peo, misy famaritana, misy lalao, misy teny frantsay.
Rehefa masaka nefa ny hanina, dia tsy nomen’ilay renikeliny izy mirahavavy fa ilay zanany vavy naterany ihany no nomeny. Koa lasa izy mirahavavy nankany amin’ny fasana nilevenan'ny reniny dia nitomany tany.
Indray andro àry nanontany Andrianaolaola hoe iza no rainy. Nandainga anefa Rasoavorindriaka reniny ka nilaza hoe tsy manana ray izy. Tsy nino izany anefa Andrianaolaola ary niteny mihitsy hoe aiza koa no misy an’izany, saingy nidrikina ny reniny.
Dia faly ery hono ilay zokiny tera-bao nahare izany ka notsenaina ilay zandriny, nampiantranoany ary nomeny sakafo. Dia noraisin’ny zandriny àry ilay zazakely, dia nohindrahindrainy sy ny norotsirotsiany.
Indray andro nisy mpianadahy kely antsoina hoe Andriantsiabiromanana ny lahy ary Rabodomilalaovola ny vavy. Tsy tian’ny ray aman-dreniny hono Andriantsiabiromanana ka noroahany. Tsy nahafoy azy kosa Rabodomilalaovola anabaviny ka nanapa-kevitra ny hanaraka azy
Indray andro hono nisy tovovavy nalaza noho ny hatsaran-tarehiny sy hareny. Rasoamielomanga no anarany ary maro no te haka vady azy saingy tsy nety hatrany izy.